<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Tompo mahavonjy o FFPM554</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Tompo mahavonjy ô !
 Henoy ny vavakay,
 Ka mamelà ny helokay ;
 Fa tena tsy mba fantatray
 Izay tokony hatao.

[V2]
 Ry Tompo be fiantra ô !
 Malemy izahay,
 Kanefa raha ampianao
 Dia hanan-kery toa Anao
 Izahay mpanomponao.

[V3]
 Ry Tompo izay Mpandresy ô !
 Omeo ny herinao,
 Fa tianay handresena koa
 Ny ota mety hahavoa
 Ny olon-tianao.

[V4]
 Ry Tompo Ilay Mahery ô !
 Ampionao izahay,
 Hijoro, hampiseho izao
 Fa aminay tokoa Hianao
 Ry Tompo tia ô !</lyrics>
<hymn_number>554</hymn_number>
</song>